He tao antambohobe izay fahiny fiarahamonina iray tsara rindra.
Nifandray ampo sy nifanolokolo vahoaka ary koa ny andriana.
Samy nahalala ny andraikiny avy
Samy nikiry ka dia lavorary
Mpanompo no tena harena, ny vola moa ravina mora soloina.
Notafiana lamba mafana izy ireny nihihinana anjara sahaza.
Koa dia niadana, koa dia niadana avy eo
Nakorontan'ny vahiny ôôoooo
Ka ilay fanompoana nivaly fanompoana
Tompo avy any ampita aaaa
Resin'ny Frantsay moa ny Gasy, izay antony tantara lava
Sahotaka ny lafivalon'ny nosy
Maro ireo niady, eny tena nikomy
Ka samy zanaka, samy zanaka avy eo
Nanao fanompoana, anatin'ny asosorana
Manakory anarô a salama va ny tegna
Ino ndreky ty raha mampahory
Efa manana an'ilay mesia izao ny narô
Mino aho f'efa miadana ery!
Tsetsatsetsa tsy aritra iny dinidinio
Ratsy vare irony fomba fahiny
Izao samy zanaka, samy zanaka avy eo
Nanao fanompoana, anatin'ny fahatahorana