Nampodiana fa nahavita ny sazy,
Ilay nogiazana tsy ankitambitamby,
Ilay valovotaka tany ampigadrana,
Ilay tsy hay noraràna iny.
Vao hianatra miaina indray,
Tsy hainy hoe inona no atao?
Mierikerika izy eny andalana
(niherikerik'izy, niherikerika, mitadidy izay hombana)
Mitady ny fiaviany (aiza no hiafarana, aiza no hiafarana)
Nahalala ilay rangahy (aaaa)
Havana aman-tsakaiza aza (Haaaa)
Tsy nisy te hahalala azy.
(Tsy nisy, tsy, tsy nisy te hahalala a)
Tsy nisy te hahalala azy. (Tsy nisy te, halaaa)
Na dia efa kely vovok'aina
Satria faly an' izy raha gadraina
Satria tsy ampy lazon'ady
Efa be loatra ny fotoana (Efa be da be, a efa be da be)
Laniny nigadrana (Efa be da beeee)
Vita ny adiny eto an-tany
Hotsaraina va izy eny any andanitra? (Oooo)
(Mino aho fa tsy hisy izany) (Aaa)
Hitohy ve ny fijaliany? (Tooooo)
Ho lombolombony fahiny (oooo)
Fa maty ilay rangahy (aaa)
Havana aman-tsakaiza aza (aaa)
Kanefa tsy afa niala (tsy nisy, tsy nisy tsy te hahalala,
Nefa tsy afa-niala (tsy nisy te haaaaaa)
Henatra tsy roa aman-tany
Ny any havany naka ity faty
Nivalapatra teny andalambe
Taingenan'ny latra be dia be
Mitsiky toa mbola mihomehy
Toa fandevenana natao antsokosoko
Ny fiangonana efa tsy nandray azy
Ny fasana koa tsy natao ho azy
Lavaka no nanitrihana azy