Tandremo, sao mihevitra ianao
Fa handefitra hatrany ny tany
Efa marary anie izao tontolo izao
Andraso ho faty dia ho hitanao
Maloto ny eto, etsy manome toky
Mamotika dia lasa maka vaovao
Manjakazaka loatra ny olombelona k'injao
Volana aza tiany atao kilalao.
Manana aina, mahatsiaro marary
Ny biby, ny tany, ny zava-boahary
Ny rivotra, rano, sy ny olona ihany koa
Mifampiankina mba marina moa.
Mpanamboatra sa mpandrava?
Ho lasa angano ve ny ala.
Tandremo, sao mihevitra ianao....
Plastika tsy kevona manerana ny tany,
Solika miraraka any anaty ranonany,
Potika ny ala, izay tsy tapaka may.
Setroka manempotra, any anaty misy vay.
Izaho aloha tsy miteny hoe aza kitikitiana,
Fa hoy aho joe mba mendrika asiana fandinihina.
Te hamela lova dia mangoron-karena,
Ny tontolo iainana anefa hosihosena.
Izay rehetra hota maso ka hatrany ankibon'ny tany.
Aripaka anio fa fandrosoana hono izany.
Ny zanak'izy ireny angamba efa nanamboatany,
Planety kely iray mahavita tena,
Isika izay tsy afaka mifindra monina any
No mba hiangaviako ikolokolo ny tany ka tandremo,
Efa marary anie izao tontolo izao,
Ndrao mampihombo ny aretiny ianao.