Sao mba tsinjotsinjonareo any i Kala mara ombao mitady
Fotsim-bary nomeko azy taninkeo ireo jerevo fa tsy lany.
Ny alina hilatsaka izy mbola tsy mipoitra ihany
Aza hitako efa masaka, tsara tetika any ho any.
Iny no hany tokako iny tsa mba tahaky ny anareo
Tsy ela dia hikotrika izy iny dia izao ve no miseho kokoko
Hatrizay tsy nisy olana, teo foana izy isan'andro
Fahavaratra manorana aza izy mitakoko ambody gavo.
Nantenaiko hampamiratra ny ho avy
Ny taranany hazahoako omby
Iny no hany tokako iny tsy mba tahaky ny anareo
Tsy ela dia hikotrika izy iny dia izao ve no miseho kokoko
( Hatrizay) tsy nisy olana, teo foana izy isan'andro
Fahavaratra manorana aza izy mitakoko ambody gavo.
Fa ny saiko tsy voatana manonofy hoe raha mba teo izao Kala mara.
Tokony efa hamiratra ny ho avy
Ny taranany hazahoako omby vavy
Folo taona aho miliardera. Koko a koko
(Iny no hany) tokako iny tsy mba tahaky ny anareo
Tsy ela dia hikotrika izy iny dia izao ve no miseho leaza!
( Hatrizay) tsy nisy olana, teo foana izy isan'andro
Fahavaratra manorana aza izy mitakoko ambody gavo.