ny amin’ ny enina ririnina
Mihaohao ery ny mpandeha,
Alina ririnina mitabataba.
Toa foara avokoa etsy sy eroa...
Alina Paris ! Alina Paris ! Mihira ny fitia !
Fitia tsy mety maty, miaina ao anaty
Fitiavana ’lay tany niaviana,
Tanindrazana malala tena tiana...
Embonembona sy vetsovetsom-po
’Ndray mitraotra ho azy avokoa
Anivony mamiratra ny taniko, no laniko
Tsy manam-paharoa, hafa mbola hafa,
Alina Paris ! Alina Paris ! mihira ny fitia !
Na alina sady mangatsiaka,
ny toerana malaza dia sariaka...
Toa fety lava miravaka hazavana,
Saint-Germain na Champs Elysées, Pigalle
mifanjevo samy revo mikorana
Matetika an-dalan’ eny hitanao,
mpihira na mpandihy milalao,
Arahin’ ny gitara na koa ny agorodao,
Fa mifanorokoroka etsy sy eroa
Alina Paris ! Alina Paris ! Mihira ny fitia !
Fitia tsy mety maty, miaina ao anaty
Fitiavana ’lay tany niaviana,
Tanindrazana malala tena tiana...
Embonembona sy vetsovetsom-po
’Ndray mitraotra ho azy avokoa
Anivony mamiratra ny taniko, no laniko
Tsy manam-paharoa, hafa mbola hafa,
Alina Paris ! Alina Paris ! mihira ny fitia !