Misomaritaka ao antsinan-trano, ao e
Misy mivolana fandranitana
Mifanavazana ao atsinanan-trano, ao e
Samy sorenan’ny fandranitana
Ny honohono sy ny hetraketraka
No mahatonga ny ady hipetraka
Toa mafy loha tsy hay tenenina, ô
Samy tsy manana fandeferana
Fa mafy hatoka, mafy sofina, lahy e
Samy milaza ho fanaperana
Ny honohono sy ny hetraketraka
No mahatonga ny ady hipetraka
Misy mihevitra ho teny marina
Tondro-molotra atao anao adinoy
Ka ny soa sy ny tsara re no karohy
Misomaritaka ao antsinanan-trano
Mifanavazana ao atsinanan-trano
Aza miady e! Mifankatiava e!
Ny honohono sy ny hetraketraka
No mahatonga ny ady hipetraka
Koa ndeha hajaina ny filaminana
http://www.multimania.com/schmilblik/malagasyrainb.html