Eny e! Anareo moa ny hery sy sandry
Anareo @ izany ny didy sy làlana
Very e! Tsisy intsony ny zoky sy zandry
Tsisy intsony fa niova indray ny fanajana
Sento, embonembona sisa no alefa
Efa niova tokoa ny fiainana taloha
Ventso, fa ny marina lasa nilefa
Ka tsy misy ny tsara eh raha tsy misy vola
Tsy afa-manoatra ho aiza moa ny tenakely
Tsy manantena ny mba handresy velively
Ilay ao ambony tsy andrinareo andrinay
Izy no marina izy no itokisanay
Tsy misy adino amin’ny fitsarany
Ny ratsy anie no tsy atao
Sento, embonembona sisa no alefa
Efa niova tokoa ny fiainana taloha
Vetso, fa ny marina lasa nilefa
Ka tsy misy ny tsara eh raha tsy misy vola
Tsy afa-manoatra ho aiza moa ny tenakely
Tsy manantena ny mba handresy velively
Ilay ao ambony tsy andrinareo andrinay
Izy no marina izy no itokisanay
Tsy misy adino amin’ny fitsarany
Ny tody anie no tsy antsoina
Tsy afa-manoatra ho aiza moa ny tenakely
Tsy manantena ny mba handresy velively
Ilay ao ambony tsy andrinareo andrinay
Izy no marina izy no itokisanay
Tsy misy adino amin’ny fitsarany
Ny ratsy anie no tsy atao
Ny tody anie no tsy antsoina
Eny e! Anareo moa ny hery sy sandry
Anareo @ izany ny didy sy làlana