Dada ô, miantso anao aho,
Tsy maintsy izao ve no niafarany,
Hatramin’izay anie toa vita ihany,
O ry Dada ô, miantso anao aho.
Sitrakareo ve ny fahorianay,
Zakanareo ve ny alahelonay
Nahoana ianareo e, no tsy mijery,
Ny hoavinay re, Neny ô mba mihevera
Raha nanao ny fifanekena.
Atrehonareo re fa sitra-po ny anareo
Sitrakareo ve ny fahorianay,
Zakanareo ve ny alahelonay
Nahoana ianareo e, no tsy mijery,
Ny hoavinay? O, Dada ô mba mihevera
Raha nanao ny fifanekena.
Atrehonareo re fa sitra-po ny anareo
Nahoana ianareo e, no tsy mijery,
Ny hoavinay? O, Ndao re mba miverena
Dada ô, miantso anao aho,
O ry Neny ô, mba valio aho,
Tsy maintsy izao ve no niafarany,
E e e, Ndao re mba miverena. (3)