izay rehetra niarahatsika
ny fahazazana ny hatanorana
ny andro rehetra nianaratsika
tsy hanao adalana , ho be fahalalana
ny faniriana sy ny vinavina mba samy ho tafita
he! mba tsy afaka indrindra
ny sangisangy sy ny hanihany
niaraha natao , tsy nisy ny tomany
ny tambitamby sy ny teny mamy
nifanaovatsika tsy hisy toy izany
ny faniriana sy ny vinavina
handao anay aloha ianao anio izao
ny tenanay no tsy ho anilanao
fa ny fo sy saina mahatsiahy
aza manadino anay tena tia anao
he! aza hadinonao indrindra
izay rehetra niarahatsika
rehefa tafita ianao any aoriana
izay natao ho fifampitondrana
ny fahazazana ny hatanorana
tsy atakalo, tsy ho amidy vola
handao anay aloha ianao anio izao
ny tenanay no tsy ho anilanao
fa ny fo sy saina mahatsiahy
aza manadino anay tena tianao
izay rehetra niarahatsika ny
ny andro rehetra nianaratsika
tsy afaka ahy ny hanihaninao
teny mamy tsy misy toy izany