Indray hariva teo amin ny vavahadinay
Izaho sy ny gitara mba nivazo teo
Nisy ankizivavy iray nandalo teo
Variana dia variana nahita ilay vazonay
O o hiaraka hipetrapetra e
Izaho anie dia bedin i mamanay
Raha mody hariva any an-tranonay
Efa miandry ahy izao any an-tranonay
O o tsy afaka hipetrapetra aho
O o efa hariva loatra ny andro
E andraso aho raha sitrakao
Hanatitra ny gitara aho dia hanatitra anao
Aza aterina aho fa mbola lavitra ny dia
Ka sao dia tratra hariva aty an-dalana ianao
O o tsy mampanino ahy izany
O o na dia hariva aza ny andro
O o antero ary ny gitara nao
Moa ve akaiky ny tranonareo
Toa vetivety foana dia tonga ianao
Tsyhijanona ela aho fa maika hamonjy anao
O o tsy mahatoky ahy angaha ianao
O o toa hoe aloka niserana
Iza ary izato mba anaranao
Fa mahafinaritra ahy ny mijery anao
Raha ny anarako ny tianao ho fantatra
Jereo ny endriko dia ho fantatrao
Fa mahafinaritra ahy izany vazonao
Ny anarako tsy sarotra fantarina
Henoy ny hirako dia ho fantatrao
Misy teny kely tiako ambara aminao
Toa sadaikatra ahony hilaza aminao
Inona no tianao ho lazaina
Tsy mampaninona tsy akory raha misy maha ory
O o hiaraka hihira aminao aho
O o hiaraka hihira aminao aho
Vonona hiaraka hihira isika roa
O o hiaraka hihira aminao aho
O o hiaraka hihira aminao aho
O o hiaraka hihira isika roa