Adinoy ary apetraho amin’izay
F’efa mahatsiaro izahay, e e e
Ataovy toy ny rano efa niraraka ireny
Zay mba mamoa nefa natsatso
Koa indreto izahay re fa tonga, hiangavy anareo
Mba avelao ireo lasa, adinoy hatreo
Aza dia kobonina hifono sao mamono. Ooo
Toa tevana be no miandry anay eny
Omeo hery izahay ary koa tsofy rano
Mba tsy hidiran’angano o o o
Koa indreto izahay re mihira, arahin-gitara
Miangavy anareo re, ny lasa ho tantara
Aza dia kobonina ao an-tratra, sao mandratra, a a a
O ry Kaky sy Neny Malala,
Moa ve efa mamanala a a a
Mamanala ve ny fitiavanareo
Sa ny saina no efa leo, o o o
Mifona re ty fo mangotraka
Izay diso lalana efa potraka
Mbola alavitra anie no hifarana ny dia
Tsy anindroa intsony koa dia matokia
Aza dia kobonina ela loatra, sao mitroatra, a a a