Niahotra ihany aho ny hanoroka anao
Nanomboka nangovitra ny anaty manontolo
Niezaka hiteny aho tsy nahavoaka feo
Ny masonao mamiratra no sisa tazako
Nanantona ianao, nanoroka ianao
Dia tsy tsaroako intsony ny amiko rehetra
Nanjavona teo izay nojereko
Ny masonao mamiratra no nobanjiniko
Fotoana fohy minitra fohy
Fa toa nijanona avokoa ny fianan’ny tontolo
Dia nofiko teo nahoana moa?
Raha toa k’isika roa irery no olombelona eto an-tany
Dia tapaka teo ilay fotoana fohy
Ny masonao mamiratra no indro tazako
Nofy hoy anao? Nefa hoy aho
Kisarisary matotra ato an-tsaiko
Tsy afako intsony ireo nofinao
Nindramina mba hialoha fitiavana mamiratra
Nangovitra ianao, nihovitra ianao
Fa ngadona efa vitako hira ela ny hovitrovitrao
Tsy tapitra hatreo ilay fotoana fohy
Fitiavana mandrakizay no niantomboka
Niahotra ihany aho ny hanoroka anao
Nanomboka nangovitra ny anaty manontolo
Niezaka hiteny aho tsy nahavoaka feo
Ny masonao mamiratra no nobanjiniko
Niahotra ihany aho ny hanoroka anao (x4)