Malomaloka endrika eny ianao indraindray
Nisy ranomaso kely koa toa ho ao
Vitsivitsy teny toa mitokatokana
Mandà lanonana, manjary miavona.
Nisy aza moa indray andro izay
Teny amoron-kady ianao no hitanay
Saika hanampy iray ireo efa lasana
Hameno fasana, handao ny ety.
Fa nalavom-pitia izaho hoy ianao:
Tsy te-hiaina intsony, ny ampitsoko maloka
Fa namboly fitia tanatin’ny tsilo
Na dia sasa-poana niandry azy haniry
K’izaho indray no voatsindrontsindrona
Kanefa avia hoy ianao dia
Hitsena ny ampitsonao mihiratra
Hamerina indray ireo tsikinao
Soa nisy tànana nandray ahy
Fa raha ny saiko no hampariko
Dia efa levona, izay momba ahy
Zary nofinofy irony taloha,
Namboarinao ho ahy ; ho fiononako
Raha olona iray tanatin’ny arivo
No ndeha hanimba ny ampitsoko