Nangoniko ny hira, hamerina aminao
Ireo teny mamy kanto, nambarako taloha
Hamerina indray ireo ora mamy, niainantsika.
Na lavitra tsy hita; na eto na any am-pita…
Ianao dia hira kanto, hifahatsiarovantsika.
Mandrotsirotsy ny alina, namako maraina
Tsy foiko ny hariva ny hira.
Hiran’ny fo no namoha ilay fitia
Tokin’ny namana tsy misara-dia
Eny ! hihira aho, ho anao sy ho ahy koa
Eny ! ny hira no mbola hisaorako,
Ny hira iray tsy mba roa.
Natoniko ny hira, hanakarako ny saiko
Hamaly ny tsy nety, tsy tsara vitanao…
Indramiko ny hira, hamerina indray
‘lay fiainana nadio fy taloha
nafarako an-kira izao tontolo izao
lazaiko ny tontolo, mba hira no asolo,
ny fatotry ny mbola voafehy…..
Amin’izany hasambarana indray
Tontolo iray saika lo no tafaray
Eny hihira aho ho anao sy ho ahy koa.
Eny hira no mbola hisaorako
Ny hira iray tsy mba roa.