Jiro iray nanomboka nirehitra, nihitatra nandrakotra
Jiro iray, niredareda fatratra no nolemanao
Dia indro maty toa tsy nisy.
Fo iray nanomboka nidoboka, nifaly sy nibitaka
Fo iray, tsy hahalala sasatra no nodininao
Tsy hahafantatra ny tsikin’ny anio
Fantatrao no sady tsy afeniko
Fa raha tsy misy anao, dia maizina ny lanitra
Efa tsapanao tsy mbola noteneniko
Fa ny fitiavanao no antoky ny androko
Dia hangina aho aloha fa hihaino ahy koa
Izay ambaran’ny alina, zay lazain’ny rariny ahy.
Raozy iray hanomboka hivelatra
Raozy iray, tsy ho ao anaty vazinao no haniriny
Ilay tsy mila atondrakao intsony
Fo iray, hahazo abakabaka, hiazo lalan-kafa indray
Hidoboka tsy ho toy ny teo
Fo hifaly, hahita toeran-kafa iray
Ka hivelatra toy ilay raozy teo
Nihazo lalan-kafa indray.