Ianao iay trotraky ny ady
Ianao ilay sasatra nitady
Na ny lahy na koa ny vavy
Fa tsisy an’iza ho antenaina
Ianao mahatsiaro farahidiny
Fa nanao izay zava-tsy finidy
Ianao ilay toa fo te hitraotra
Manàna finoana, tanjonao banjino
Manàna finoana, marina fihino
Na inon-kidona, mijoroa hatrany
F’izay manampinoana, handresy ny hiafarany
Ianao ilay tsy mino intsony
Ianao tsy mino fa ny ambony
Ianao milaza ho tsy mahita
Izay mety hahavonjy antsika
Fa toa ny ratsy hatrany hatrany
No misondrotra eto antany
Manàna finoana, tanjonao banjino
Manàna finoana, marina fihino
Na inon-kidona, mijoroa hatrany
F’izay manampinoana, handresy ny hiafarany