1. Rehefa hariva iny ny andro
Efa mirava izahay, indro izy mitsena ahy
Avy manantona ahy, tonga dia manoroka
Avy eo dia tantanako ny tanako
Eny an-dalana izahay, mifampitanatara izay
Dia miara mitsiky avy eo,
Mpifankatia eh, zary ho nofy
Ref- Lasa nandao ahy izy ho afoy
Tsy ho hita intsony lasana natory
Tsy ho anilako intsony eh!,
Ny lasa sisa mipetraka ho ahy
Mino aho f’hitohy, any an-koatra indray
Oh! veloma eh, ho mandrakizay
2. Mbola tsaroako tsara koa
Ilay andro farany, niarahanay roa
Izaho niondana teo an-tratrany
Bitsika mangina no, teniny farany tamiko
Nitsiky aho tsy nahalala izay hoe
Izao anie no andro farany, hiarahanay