Ny esoesonao, toa vao maika,
Mampitombo, ilay fitiavako azy izay,
Tsy izay lazainao, no afaka hanova izay najoro,
Na ny hery, na koa lalàna,
Dia tiako izy, izy koa tia ahy,
Ref: Fa raha ny anay, mafy orina,
Tsy ho voaraodana, fitia tena matotra,
’Zahay enjehinao, toa vao maika mifankatia,
Mitombo sy mafana, ilay fitia,
Ny tiako ho tsapanao, matoa ’zahay,
Niara-dalana, dia teo ilay fitiavana,
Na iza hanasazy sy handidy,
Dia tiako izy,izy koa tia ahy,
Fa fo iray no mitambatra,
Mifanaraka,izahay tsy hifandao,
Na ho mora na ho sarotra,
Fa raha ny anay, mafy orina,
Tsy voarodana, fitia tena matotra
(x2): Ho atako tsara karakara,
Fa efa anjara,nomenao ho ahy,
(x2): Fa raha ny anay, mafy orina,
Tsy voarodana, fitia tena matotra,