Ambarako aminao Jesosy Tompo tsara ô
Fa ny fiainanay ety, misari-pahafatesana
Tsisy fifaliana tsisy fiadanana
O! Fiainana manahiram-pisainana
Ny sampy sy ody maro no indro mba itokiany
Tsy fantany tsotra izao ny teny izay fikasana
Mahantra ny firenena, mahantra izy ireo Jeso
Ambarako aminao Jesosy Tompo tsara ô
Fa ny fiainanay ety, misari-pahafatesana
Tsisy fifaliana tsisy fiadanana
O! Fiainana manahiram-pisainana
Iangarana lava izao, voahosy hatrany hatrany
Indrisy mijaly mafy, voatsindry ny hazo lena
Mahantra ny firenena, mahantra izy ireo Jeso
Ambarako aminao Jesosy be fitia o
Fa ny fiainanay ety dia feno hetraketraka
Feno fahoriana tsisy fahamarinana
O! Fiainana manahiram-pisainana
Kanefa ny tena lainga no ankamamin'ny fony
Indrisy fa hamavoiny ny ran'ilay zanak'ondry
Mahantra ny firenena, mahantra izy ireo Jeso
Ambarako aminao Jesosy Tompo soa o
Fa ny fiainanay ity dia feno havonavona
Feno haratsiana feno fialonana
O!Fiainana manahiram-pisainana
Iriko Ianao ry Tompo hitantana ny fanahy
Iriko hisolo vava hamela ny fahotana
Iriko hanafaka ahy, iriko tokoa tokoa
Ambarako aminao Fanahy Mpanazava o
Fa ny fiainanay ety irinay ho vaovao
Ho marina tokoa ho masina tokoa
Ho fiainana hanjakan'ny fitiavanao