Tànana masina sy soa tokoa
Iza re no ho tafiditra ao?
Tànana masina sy soa tokoa
Izaho va re mba ho tafiditra ao?
Tànana masina sy soa tokoa
Iza re no ho tafiditra ao?
Tànana masina sy soa tokoa
Izaho va re mba ho tafiditra ao?
Azo raisina sy tafiditra ao
Sy hipetraka ao ary honina ao
Izay rehetra madio tanana
Azo raisina ao sy tafiditra ao
Sy hipetraka ao ary honina ao
Izay rehetra madio tanana
Basse (He maro be te hiditra
Fa voasakana tsy ho tafiditra)
Basse (Ao ireo izay manana heviny
Izay mikendry hahazo vahana)
Miady mafy ny mba hibahana
Eny ny mba hibahana ao Jerosalema
Tsy ho raisina ao tsy tafiditra ao
Tsy hipetraka ao tsy mba honina ao
Izay rehetra tsy mba masina
Tànana masina sy soa tokoa
Basse (Izay rehetra te hiditra ao
Satria ny Tompo efa nanao
Ny toerana ho an'ny anarany
Tsy ho sakanana tsy ho bahanana
Tsy ho tohanana tsy ho avahana
Izay rehetra madio tanana
Koa na iza na iza hiditra ao
Dia tsy maintsy efa voadio
Izay mandeha tsy misy tsiny
ary ny lalany tsy mba hisy
Izay mandeha tsy misy tsiny
Eny hibahana ao Jerosalema
Jerosalema Tànana Masina sy madio
Jerosalema Tànan'Andriamanitra