Tsy ho haiko tantaraina Jeso ny fitiavanao
Harena sarobidy mamiko ka holalaiko
Satria ny gadra nentiko, e voavahanao
Ka tonga velombelona ny aiko
Dia tano hifikitra mba tsy hahafoy Anao
Na maro ireo ankaso ento an-taninay
Na ireo fikasako rehetra rehetra Tompo ô
Na ireo vavaka iantsoako anao
Ho eo am-pelatananao ireo Ray ô
Dia tsy hatahotra aho fa manana Anao
Ambara-pialako handao izao tany izao
Dia tsy hatahotra aho fa manana Anao
Na maizina mikitroka aza ety
Tsy haiko ny hangina ka tsy hanandram-peo ho Anao
Anolotra ny dera izay mivoaka avy ato am-poko
Ka raha tonga ny andro izay hiverenanao
Dia hira fihobiana no dradraiko
Hianao no masina hianao no mahery
Hianao no Mpamonjy sy mpanavotra
Na ireo fikasako rehetra rehetra Tompo ô
Na ireo vavaka iantsoako anao
Ho eo am-pelatananao ireo Ray ô
Dia tsy hatahotra aho fa manana Anao
Ambara-pialako handao izao tany izao
Dia tsy hatahotra aho fa manana Anao
Na maizina mikitroka aza ety)×2