Raha zavatra tsy natao no hitondrana ny mangidy
O!mijaly tsy manan-tsafidy
No fijerin’olombelona kely fitia,
no manjaka hatrany hatrany
raha maro ny ontsa sy tomany
ka tsy hisy intsony ny hosolafaka
Mba rahoviana no hanjaka ny tena fitia
ka tsy hisy intsony ny mpihatsaravelatsihy
fa misy sahy manitsinitsy
manendrikendrika tsotra izao
ny zavatra tsy vita tsy natao
voafingana nianjera ka marary
diso anjara dia mitantara
very ny hoavin’ny dimby sy fara
raha izy foana no atao hijaly é!
hitondra ny zioga mandrakizay
fa tsy mba hanana ny tena rahalahy
no fitsaran’ny nofo kely fitia
no manjaka hatrany hatrany
Mba rahoviana no hifarana ny endrikendrika
ka tsy hisy intsony, ny higadragadra foana
mba rahoviana no hanjaka ny tena fitia
Ka ho foana daholo ny mpihatsaravelatsihy?