R'ilay namana zay tsy mba nandao
Sahy nizara izay kely ananana
Ho an'ireo ory ho an'ireo tsy manana
Zay voafaritra ho tena sahaza
Nanombinana ho an'ny noana
Izao hirahira izao dia noforoninay ho anao
Ianao izay nahita lay ory
Ka tsy tafandry mandry tsy mba nahita tory
Isaorako ianao nandray azy
Fa tsy mba nanakora sanatria namazivazy
Tsy nandramany ela izany mamy
Nahafoy azy koa ny tsiron'ny tany
Izy nihevitra ho olona very
Faly nahita anao tsara jery
Ao lay Ray be fitia no hanome valim-pitia
Koa amin'ny anaran'ireo mahantra
Izay voalilika tsy mba nanana mpiantra
No hisaorako anao ry zanaky ny Avo
Ilay mpampahery lay mpanarina ny lavo
Handroso ianao amin'ny andro sy ny ora
Hanatona hatrany ny fiainana mora
Hody amin'ny daty voatendry
Handray ny amboara lovan'ny hendry
Lay Andriamanitra Ray no homba anao mandrakizay
La la la la la la la la la