Tsy anomezako tsiny anao, ilay ianao mihafahafa
Toa te hiteny hanatsafa sy te hamboraka fitia
Tsy anomezako tsiny anao, ilay ianao mahasahisahy
Nikasa ny hanoroka ahy; kinanjo nikaviavia
Tsy anomezako tsiny anao ny resakao kidaladala
Ny tafanao kivalavala; ny hevitrao naniasia
Tsy anomezako tsiny anao, ireny rehetra rehetra ireny
Indrindra ianao ilay tsy niteny; tsy diso mihitsy ianao satria
Tia ahy ianao saingy nangina;
Fa nanahy ny tsy ho tiana;
Ny hambom-ponao te-hiala;
Fa ny anomezako tsiny anao, d’ilay ianao nihafahafa
Toa te-hiteny hanatsafa sy te-hamboraka fitia
Ary anomezako tsiny anao ilay ianao mba sahisahy
Nikasa ny hanoroka ahy; kinanjo nikaviavia
Mbola anomezako tsiny anao ny resakao kidaladala
Ny tafanao kivalavala ny hevitrao naniasia
Eny anomezako tsiny anao ireny rehetra rehetra ireny
Indrindra ianao ilay tsy niteny; disoiko mihitsy ianao satria
Tia ahy ianao k’aza mangina
Fa efa niandry anao malala!