Mbola tsy Miova - Afi Ambohidanerana
mbola toy ny hatrizay ilay FitiavaNy antsika
Mazava toy ny masoandro mibaliaka
Antsoina dia mamaly, mandondona vohainy
Raha misy tsy mampifaly Izy hanala ny taraina
Mbola toy ny hatrizay ilay FitiavaNy antsika
Moa tsapantsika hoe hatrizay moa izany
Tsy takatry ny saina koa ny fahalebiazany
Ref :Mbola tsy lany ny FitiavaNy antsika
Araraoty ihany dia ny mbola tsy ritra
Mbola tsy miova kanefa misy fetra
Ny fotoana omeny tsy azony andeferana ela
Mbola miandry anao Jesosy
Ireo ditra fanao hatrizay
Tonga ny Ora mba hiovanao
L : Henoy izany feon'anjely marobe Miantsa tsy lany
Toa sambatr'ery an-danitra any
Mba tiany raha isika rehetra hiaraka ho ao
Ny lalana Efa atorony hizory andehano
V: Ny finoana avo no aoka hanananao
Tsy hiena fa raketo ao am-ponao
Aza mihevitra ny tenanao Zavatra
Fa lehibe ianao imason'Andriamanitra
Ref :Mbola tsy lany ny FitiavaNy antsika
Araraoty ihany dia ny mbola tsy ritra
Mbola tsy miova kanefa misy fetra
Ny fotoana omeny tsy azony andeferana ela
Mbola miandry anao Jesosy
Ireo ditra fanao hatrizay
Ampy Izay fa andao Tonga ny Ora mba hiovanao