Na andro iray aza saro-dinganina ety an-tany
Miaina ireo fihetseham-po, maro mifangaro
Iainanao avokoa na ny tsiky na ny tomany
Satria fandalovana ety ka feno fitsapana
Maharavoravo ny saina ilay fiainana ho avy
(Ilay fotoana izay anitsahako ny lanitra eh!)
Ka ho tapitra hatreo ilay fiainako
(Fa ny tavan’i Jeso mamiratra
Anio hisafidy ianao, hanompo sa irevy
Tandremo raha diso safidy ho very ianao rahalahy
Fahafatesana mantsy no setrin’ny ota ety eh!
Fiainana mandrakizay no tambin’ny finoana
Ka ho antsika izay manatrika etoana
Ny faniriana dia hoe any indray no mihaona
Tano mafy ny finoana izay ananantsika
Fanalahidin’ny fiainana ho anao sy ho ahy
Fiainako eh! Fiainana a ah!
Fiainana ho anao sy ho ahy
Fiainana eo anilan’ny Tompo
Sambatra ! Sambatra aok’izany
Fiainana eo anilan’ny Tompo
(Fainana eo anilan’ny Tompo)
Sambatra ! Sambatra aok’izany
Fiainana ! fiainana ! fiainana(x2)
Sambatra ! sambatra ! sambatra(x2)
Sambatra aok’izany(ho sambatra ianao eh !)
Eh! eeh ! eeh !ehh ! ehh! eh ia !(x2)