Mba henoy izao antsoko izao
Omeo 'lay fo madio sy hery avy aminao
Hanefako ny asa fanompona anao
Ho zava-poana rehefa eo ianao
Ekeko re,izay hitondranao ahy
Ka na sarotra na mora ny fiainana
Sanatria ny hoe,hamoy fo,hiverin-dalana
Ho tanako hatrany ny VOADY hanompo anao
Ny tondro molotra,fosafosa fakam-panahy
Tohano sy reseo,tsy hahakasika ahy
F'ianao Jesosy no mpiaro ahy
Mahazo hery rehefa eo ianao
Ekeko re,izay hitondranao ahy
Ka na sarotra na mora ny fiainana
Sanatria ny hoe,hamoy fo,hiverin-dalana
Ho tanako hatrany ny VOADY hanompo anao
Ekeko re,izay hitondranao ahy
Ka na sarotra na mora ny fiainana
Sanatria ny hoe,hamoy fo,hiverin-dalana
Ho tanako hatrany ny VOADY hanompo anao
Ekeko re,izay hitondranao ahy
Ka na sarotra na mora ny fiainana
Sanatria ny hoe,hamoy fo,hiverin-dalana
Ho tanako hatrany ny VOADY hanompo anao
Sanatria ny hoe,hamoy fo,hiverin-dalana
Ho tanako hatrany ny VOADY hanompo anao