Raha azoko atao,dia omeko anao
Izao tontolo izao sy ny tsara ao
Omeko anao ry aiko,omeko anao daholo
Izay takatry ny saiko, foiko manontololo
Raha azoko atao,omeko tsy misy fetra
Ento sy hanjakao, ny amiko rehetra
Nitsilopilopy nangatsiaka
Lefy ilay hafanana, nindaosin'ny ankaso
Toa lalan-kafa indray no izorany eo
Mila tsy ho tanty, mahamay
Tafapetraka mihitsy aho androany
Raha vao naheno fa lasa ihany
Nangingina tsy dia be teny
Ka nanary dia teny ho eny
Indrindra moa ‘reo tsiahin’iny làlana iny
‘Zay fanaterako anao isan’andro
Sy ilay fanaontsika mody masoandro
Ilay hira ‘zay tsy afaka am-bava
Mba kaloy aza avela ho rava
Ny elanelan’ny tany no misy
Fa raha ianao no adino, angamba tsy hisy
Ny fo sy ny saina no tavela
Hiezaka ihany aho ho avy tsy ho ela
Anyah, Joy K, Tovo J'hay. Mai 2004