Aron Mahandry
Fa na lavitra aza izy dia izao teniko ataovy tonga any
Za tsy anadino fa iezaka ny hitia anazy atrany
Ka fitia vaovao isanandro no atolotro ho azy irery ihany
Lay tiko, nofidiko tanatin’ny maro
Fa izy lay nambabo e,lay nitondra fiovana e
Nahatafalatsaka ahy
Ka omeko fanajana e,ho ampiakariko ho madama
Fa aza manahy
Ka omeko fitia ,fitia ho doria ,ho mandrakizay
Fa izy lay tokako,lay malalako ,lay silampanahy
Dia aza manahy intsony hono hoe ataovy tonga any
Fa izy tsy hiova intsony na misy reo fakampanahy
Ka lazao azy any hoe fa ianao efa nataony mpanjaka
Lay mpandidy,mpanapaka ny fanjakany
Fa ianao hoe lay nambabo e,lay nitondra fiovana e
Nahatafalatsaka azy
Ka omeny fanajana e,ho ampiakariny ho madama
Ka omeny fitia ,fitia ho doria,ho mandrakizay
Fa ianao hoe lay tokany,lay malalany ,lay silampanahy
09 mars 2018
Artist Name
Our team is working on an algorithm to find similar songs that match your taste and preferences.