Aron Mahandry
Hihira aho
hihira ho anao e
Fa tiako jo fantatrao
hihira aho
hihira hatrany
mba tsy hisian'ny tomany
Fa ianao lay tiako
tsy foiko tsy ariako
satria fifaliako ,anton'ny fisiako
Tsy atakaloko e
N'oviana,n'oviana
ilay tokana iriko
s'ilay nofidiko
Mpamelona ny aiko,mahalasa ny saiko
Andro aman'alina
ka mahatonga ahy hihira
...........
nohon'ny elanelantany
Manasaraka e
ny tenantsika iray
kanefa,tsy atao mahakivy izany
fa ny fo mitia
no tanjontsika hatrizay
Ka mahazo matoky
f'ianao tsy ho soloiko
tsy ho voasoloky fa tokan'ny foko
fa ianao irery
ianao irery ihany
lay nambabo ny foko
ka kolokoloiko
sy karakaraiko,hotiaviko,hajaiko
Ianao ry tiako e
Mandrakizay
............
Desambra 2017
Artist Name
Our team is working on an algorithm to find similar songs that match your taste and preferences.