Tsy hatakaloko anao ireo Ray sy Reniko
Tsy hahasakana ahy koa ireo mpiray tampoha
Na izay tiako indrindra aza dia tsy hahasakana ahy
F'aleoko aho manaraka Anao
Na ny sarotra indrindra aza ekeko
Izay hitondranao ahy, Hanaraka Anao aho
Fa hafoiko daholo ny zava-drehetra
Ny fiainako manontolo na mandeha aho
Na mitoetra hatokako hiderana Anao
Fa na ny feoko aza Ray ilay fanomezanao ho ahy
Tsy hiderako hafa-tsy ny anaranao
Ka na ny aiko aza moa izay sarobidy amiko
Hafoiko noho ny fanarahana Anao
Tsisy anarana ambony toy ny anaranao
Ilay nahitako soa sy fiainam-baovao
Na izay tiako indrindra aza dia tsy hahasakana ahy
F'aleoko aho manaraka Anao
Na ny sarotra indrindra aza ekeko
Izay hitondranao ahy, Hanaraka Anao aho
Fa hafoiko daholo ny zava-drehetra
Ny fiainako manontolo na mandeha aho
Na mitoetra hatokako hiderana Anao
Fa na ny feoko aza Ray ilay fanomezanao ho ahy
Tsy hiderako hafa-tsy ny anaranao
Ka na ny aiko aza moa izay sarobidy amiko
Hafoiko noho ny fanarahana Anao