Bismak
Ianao hiteny no nandrasana
Saingy ianao tsy nanambara
Fa dia moana toy ny fasana
Tsy niteny tsy nitsara
Tsy fantatro izay tena marina
Ianao minia toa tsy miteny
Ny saiko izay tia mandalina
Lasalasa toa mirenireny
Ka lazao amin'izay
Efa ela aho no afa-po
Lazao amin'izay
Rehefa diso tafahoatra
Ny fahanginanao hatrizay
Dia ny alahelo indray no hivoaka
Ka ho very saina ho very fanahy
Aoka izay ny ankamantatra
Aoka izay ny tsiambararoa
Efa ela aho no te hahafantatra
Efa ela aho
Efa diso tafahoatra
Artist Name
Our team is working on an algorithm to find similar songs that match your taste and preferences.