Nomeny ny zanany ho antsika eto an-tany,
Ho famonjena antsika eto izao,
Andro iray miavaka tsy manam-paharoa,
Natokany ho ahy sy ho anao.
Indro Ianao (indro Ianao)
Tonga ho ahy (tonga ho ahy)
Hitondra hazavana ho anay,
Indro Ianao (indro Ianao)
Tonga ho ahy (tonga ho ahy)
Hitondra fahasambarana ho anay.
Hitondra hasambarana ho anay.
Hazavana ho anay ny fahatongavany e! (o o o o)
Masoandro miposaka ny fihaviany e! (o o o o)
Mamiratra diamondra, safira Izy re! (o o o o)
Mandrakizay doria ny fitahiany e !
Fahazavana ho anay ny fahatongavany e! (o o o o)
Masoandro miposaka ny fihaviany e! (o o o o)
Mamiratra diamondra, safira Izy re!
Indro Ianao (indro Ianao)
Tonga ho ahy (tonga ho ahy)
Hitondra hazavana ho anay,
Hitondra fahasambarana ho anay.
Hitondra fahasambarana ho anay.
Izaho mahalala ny hevitra hiverako anareo,
Dia hevitra hitondra fiadanana fa tsy loza.
Aleloia, hosana (Jesosy o!)
Ny anarany Masina (O! Jesosy o!)
Asandratra amin’ny avo Ilay Tomponay
O! o! o! Izy ilay itokianay e!
Mpanjakanay mandrakizay e!
Asandratra amin’ny avo Ilay Tomponay
Aleloia, hosana (oyo Jesosy e)
Ny anarany Masina (aleloia, hosana)
Mifalia ry nosy fa tonga i Jesosy
Hitondra hazavana ho anay,
Indro Ianao (indro Ianao)
Tonga ho ahy (tonga ho ahy)
Hitondra fahasambarana ho anay.
Hitondra fahasambarana ho anay.
Jeso I love You (x5) (I love You)