Atomboko amin’ny tenako ny fiovana
Tsy hitompo teny fatratra, hiseho ho mahay lalàna
Tsy hiverenako intsony koa ireo adalàna
Valiana soa ny ratsy izay mila fafàna.
Ilay ratram-peniko iny mba zarazarao
Ho ren’izay marenina ao ambadika ao
Ndao tsika hiara hampiakatra ny kalitao
Ilay teny fikasana koa aparitaho
Maninona moa raha mifankatia
Dia miaraka mandroso ?(maninona moa ?)
Maninona moa raha miara-dia
Tsy andeha hitsikilo hoe iry tsy mahay (tsss)
Fa raha zay no tanteraka, ho tany sambatra isika.
Ho tany sambatra ho aho i Gasikara
Mitady ho za-dratsy loatra izy zay
Maty hozatra ny hatsaram-panahy
Handova zavatra manao ahoana
Raha any an-kady any mihitsy no hifanao fotoana ?
Fotoam-piovana izao zoky f’aza ela
Hamitaka aho raha any ilay toky amin’ny lela
Tsy maintsy amin’ny atao ny fiovana no hita
Fa raha zay no tanteraka, ho tany sambatra isika
Ho tany sambatra ho aho i Gasikara