Tompokolahy Randriambahiny
Mpanao baolina tsisy tsiny izy e
Tonga amin’izay rafialonana
Ka nanitsaka an-tampo-dohany
Dia roso ary izany dia mba ho any Paris ô
Satria nalaza ho nandresy intelo nifanesy
Raha vao tonga ny zanak'olona
Dia nanontaniana raha tao i Kokolona
Ka nanontaniana raha tao i Jongaly
Nitsofoka kely ary i Patrice
Namitaka kely izy dia nanitsy
Izay vao nomeny an'i Rainisoa
Tompokolahy Randriambahiny
Mpanao baolina tsisy tsiny izy e
Tonga amin’izay rafialonana
Ka nanitsaka an-tampo-dohany
Raha vao nanomboka ny lalao
Dia saika torana sady vao
Nampalahelo fa nihafihafy
Nalefa amin’izay ratetidratsy
Hamonoana ny dian-dRamalagasy
Na ny totohondry mamely mafy
Niampy iray teo ny mpilalao
Tsy nanao intsony ilay narary
Tompokolahy Randriambahiny
Mpanao baolina tsisy tsiny izy e
Tonga amin’izay rafialonana
Ka nanitsaka an-tampo-dohany
Tamin’ny iraika ambin’ny folo
Dia indro fa maizina ny tontolo
Nivolo-maintsy iny lanitra iny
Fa maty tokoa Randriambahiny
Tamin’ny fomba manetriketrika
Sy feno fanajàna mendrika
No nandraisan’ny Nosintsika
Dia nentina teny Antanimena
Izay efa voaray an’ireo ankizy
Tompokolahy Randriambahiny
Mpanao baolina tsisy tsiny izy e
Tonga amin’izay rafialonana
Ka nanitsaka an-tampo-dohany
Avy eo dia nanitsy mba ho eny Mahitsy
Ao ilay nofo izay efa sasatra
Fahatsiarovana ihany sisa ô
Ny anarany tsy lefy eto an-tany
Fa ‘zany nofony vovo-tany
Tompokolahy Randriambahiny
Mpanao baolina tsisy izy ô
Fa io tsy mifoka ary tsy migoka
Tantaran'ny nahazo an'i Mbahiny, mpilalao baolina lavalava, raha nandeha niady amboara tany Frantsa tamin'ny taona 1957