1. Hanafarako ireo havana tsy foiko
Sao mihevitry ny fiainana ho mora
Koa nampoiziko hanjary fahoriana
Ny nahazo an’iny hava-tiako iny ô! ô!
Aleoko miaro azy tsy ho lavo
Fodikely anilan’ny vary zahay e!
Mifankatia tsara, fa halan’olo ô!
Zanak’olo tsy mba zatra ady izy iny
Natrekinao noho ny fialonana a! a!
Hatsiarovan’olo nahavita ratsy
Ny andro hifoterany ami-tenany
Ranomasom-pahoriana tsy zaka
Fodikely anilan’ny vary izahay e !
Mifankatia fa halan’olo ô! ô!
Zanak’olo tsy mba zatra ady izy iny e!
Natrekinao noho ny fialonana a! a!
3. Fa mbola velona ny olo nirianao ho faty
Koa tsy meloko ny nanaovanao ratsy e! e !
Tongava saingy, manaova ny mety,
Aza enjehinao ‘ty namana efa resy
Kilandy kely nanarak’omby izy iny e!
Tsy mitovy fa mifanaraka oa, e! e !
Fiarahana naharitr' ela no iriany e
Voatoram-bato, ka tafasaraka ho azy
[E, zany ny adin'ny fialonana]
[Hanafarako reo havana tsy foiko]
[Fa miafara amin'ny fahafatesana ny fiainana]