1-Eny tsy ho feno herin-taona,
Tafarafara tsato nifankahita ‘zahay sy zanany eh.
Tsy nampoiziko ho zanak’i Madama,
zay aho vao nanontany oa.
Satria izy zanak’i mamany eh,
Mamany talohan’i zanany eh,
Mamany talohan’i zanany eh
O, ô, ô, iza no diso ô (4fois)
2-Mba tsy haharatsy ny tantaranay
Aleoko miala (amin’i) mamany eh,
Hiarahako amin’i zanany eh,
Tsy haharatsy fihavanana eh,
Tena tsy nahafaly an’i Madama
Hialako ny fahazaran-dratsinay
sao fantatr’olo-maro amin’ny farany eh.
Angamba tsy hanome tsiny ‘zao
lehilahy teo amin’ny toerako ô
vao sendra ny zavatra tsy hay
Ianao zay manameloka izao
raha mbola taranak’i Adama
O, ô, ô Iza no diso (4fois).