Raha toa ka manontany anao izy
Lazao fa tsy irery intsony aho
Nahay nanadino sy tsy nahatadidy
Na dia izay salovan-tavany aza aho
Nofiny hoe fa hafa ny omaly
Nitsiky, nihomehy, nihira, nifaly
Fa tsy nahatsiahy izay momba anareo
F’aza lazainao azy, fa mbola izy foana no ambetin-dresako
Fa tsy misy andro, tsy misy fotoana izay tsy hanembonako
Fa tsy mahafaty ny ela niarahana aho hatramin’izao
Latsaka anaty ny anay ny fitiavana ka sarotra nandao

Raha toa ka mananihany anao izy
Lazao fa tofoky ny lasa aho
Leo ny omaly, tsy te hierika intsony
Nandalo hono hoe ireo andro fahiny izay niarahany taminao
Hatry ny ela be ireo fanadinoany toy ny sangisangy hinamana anao
F’aza lazainao azy, fa mbola izy foana no ambetin-dresako
Fa tsy misy andro, tsy misy fotoana izay tsy hanembonako
Fa tsy mahafaty ny ela niarahana aho hatramin’izao
Latsaka anaty ny anay ny fitiavana ka sarotra nandao
Latsaka anaty ny anay ny fitiavana ka sarotra nandao
F’aza lazainao azy, fa mbola izy foana no ambetin-dresako
Fa tsy misy andro, tsy misy fotoana izay tsy hanembonako
Fa tsy mahafaty ny ela niarahana aho hatramin’izao
Latsaka anaty ny anay ny fitiavana ka sarotra nandao (x 3)
Tonony sy feony : Céléstin RAKOTONDRATSIMA
Nandrindra sy nanatontosa : ARISTIDE RANDRIANAIVO sy CLUB-ACADEMY GROUP (2012)