Ankehitriny hafa no mitranga
Hazo vitsivitsy no mba sisa tazana
Fa ny tontolo sy lafivalo
Na Betongolo io na Andohalo
Manjakaray Alarobia Ambohimanarina
Iarivo iray mbola mila fanamboarana
Isika ve no leo? Asa angamba, asa angamba ô! ô! ô!
Izay rehetra toa miseho, mamotika an' Analamanga
Ekena fa niova, ahoana kosa ny hafa re?
Ny loto mandoza, tsy mety ho vita ny arabe
Ny lemak'i Betsimitatatra
Tototra Ampasika, Ambodivona,Ankorondrano
Ampitatafika, Isotry indray no tondradrano
Asa angamba, asa angamba ô ! ô! ô!
Na aiza ijerena ka mitraka
Na Antanimena io na Isoraka
Dia io ilay Rova, izay trano haolo efa kila
Anisan'ny lova, ny harena tao aza efa dila !!!
Asa angamba, asa angamba ô ! ô! ô!
Izay rehetra toa miseho, mamotika an'Analamanga
Na ho dorana, na koa ho totorana,
Tsy maintsy hanenina, ho very ny maha - Merina !!!