Na hiaretako ny faran'ny mafy
Na handaniako ny androm-piainako jiaby
Ny anjaranao izay simba taloha,
Ho soloiko ho tena vaovao e!
Hataoko izao rehetra izao
Nahafoizako ny ray aman-dreniko noho ny fitiavako anao,
Nialàko aby ireo kamaradiko noho ny aminao e! ie!
Ho atrotrako aminao re ny vatako e!
Hanomezako taranaka anao e!
Hataoko izao rehetra izao
Aiza ny tananao ho tantanako e!
Tiako raha izaho hitondra ny anaranao e!
Mba ho zaraiko anao ny hasambarako e!
Ho ataoko izao rehetra izao,
Tiako manambara aminao e!
Mba tiako manambara aminao e!
fa anao fahiniko o! o! o!
Tsy ho vitako ny hamitaka anao e!
Ho atsangako ny tanan-kavanako e!
Haraoko izao rehetra izao
Aiza ny tananao ho tantanako e!
Tiako raha izaho hitondra ny anaranao e!
Mba ho zaraiko anao ny hasambarako e!
Ho ataoko izao rehetra izao,
Aiza ny tananao ho tantanako e!
Tiako raha izaho hitondra ny anaranao e!
Mba ho zaraiko anao ny hasambarako e!
Hataoko izao rehetra izao,
Aiza ny tananao ho tantanako e! (tananao e!)
Tiako raha izaho hitondra ny anaranao e! (mmm malala e!)
Mba ho zaraiko anao ny hasambarako e! (hasambarana e!)
Hataoko izao rehetra izao,