Tsy haiko, izay fiainanao any
Ny tiako ho fantatrao, izaho eto ihany
Miandry anao, f'ianao no toa miova hatrany
Toa miha-mangatsiaka, tsapa izany
Tsory amiko, lazao, mitia olon-kafa ianao
Mitempo ho roa, amin'ny hafa ny fonao
Tsory amiko, lazao, mitia ankoatra ahy ianao
Mitempo ho roa, amin'ny hafa ny fonao
Ny ahy ny fo, tsy mahay miova loko
Fa vao tokana, hanjaka anao,efa anao
Dia fitia tena tokana, nefa kosa ianao
Toa niova, tsy mba ohatra ahy
Tsory amiko, lazao, mitia olon-kafa ianao
Mitempo ho roa, amin'ny hafa ny fonao
Tsory amiko, lazao, mitia ankoatra ahy ianao
Mitempo ho roa, amin'ny hafa ny fonao
Ireo toetra sy fihetsika hatao
Toa miova avokoa, toa tsy ianao
Mahagaga ahy tokoa, tsy amin'ny fo
Toa terena sy volena koa...
Tsory amiko, lazao, mitia olon-kafa ianao
Mitempo ho roa, amin'ny hafa ny fonao
Tsory amiko, lazao, mitia ankoatra ahy ianao
Mitempo ho roa, amin'ny hafa ny fonao
ERIC TAHINA (Titre : "Tsy manahy lazao" / Album : "Soa fa teo Ianao" - 2011)