Impiry moa aho Ray o! no niodina Anao
Nanao izay rehetra tiako atao
Indraindray aza dia efa potraka tokoa
Dia mbola manao ny sitrapo
Hiverina Ray o! ity adalanao
Mba raiso aho Ray o! Hanolotena ho Anao
Fa fitiavana mandrakizay no hitiavanao ahy ry Ray
Ka tsy menatra aho manantona Anao
Hanavao indray ny voady efa natao
Inty ny foko omeko Anao ry Ray, tena foiko ho Anao mandrakizay
Ka ny fiainako hanjakao ry Tompo tia
Hanompo sy hidera Anao ho doria
Impiry moa aho Ray o! no nanda Anao
Tsy nety niaino ny antsonao
Nanamafy ny fo, nanarapo tokoa
Voafatotr’ireo tsy mahasoa
Hiverina Ray o! ity malalanao
Mba raiso aho Ray o! Hanolotena ho Anao
Fa fitiavana mandrakizay no hitiavanao ahy ry Ray
Ka tsy menatra aho manantona Anao
Hanavao indray ny voady efa natao
Inty ny foko omeko Anao ry Ray, tena foiko ho Anao mandrakizay
Ka ny fiainako hanjakao ry Tompo tia
Hanompo sy hidera Anao ho doria
Hanompo sy hidera Anao ho doria