manandrifia an'i Farao, mpanjakan'i Egypta,
ka maminania ny hamelezana azy mbamin'i Egypta rehetra.
Izao no lazain'i Jehovah Tompo:
Indro, avy hamely anao Aho,
ry Farao, mpanjakan'i Egypta,
ilay dragona makadiry mamitsaka ao amin'ny Neiliny,
fa izaho no namorona azy ho an'ny tenako.
Ary hasiako farango ny valanoranonao,
sady hampiraiketiko amin'ny kiranao ny hazandrano ao amin'ny Neilinao,
dia hampiakariko avy eo afovoan'ny Neilinao ianao,
ary ny hazandrano rehetra amin'ny Neilinao
dia hiraikitra amin'ny kiranao.
Ary hariako any an-efitra ianao,
dia ianao sy ny hazandrano rehetra avy amin'ny Neilinao;
hitsitsitra eny an-tanety ianao ka tsy hovorina na hangonina;
Efa nomeko hohanin'ny bibi-dia sy ny voro-manidina ianao.
dia ho fantatry ny mponina rehetra any Egypta
satria efa tehina volotara ho an'ny taranak'Isiraely izy.
Nony mandray anao amin'ny tànany izy,
ka voatsindronao ny helik'izy rehetra;
Ary nony mitehina aminao izy,
dia tapaka ianao ka mampilefidefitra ny valahan'izy rehetra
Misy afo mialoha Azy ka mandevona ny fahavalony manodidina
Ary manao ny rivotra ho irany sy ny lelafo ho mpanompony
dia niseho tamin'ny iraika ambin'ny folo lahy Jesosy,
raha nipetraka nihinana ireo;
ary izy nanome tsiny azy noho ny tsi-finoany sy ny hamafin'ny fony,
satria tsy ninoany ireo efa nahita Azy,
Mandehana any amin'izao tontolo izao ianareo,
ka mitoria ny filazantsara amin'ny olombelona rehetra.
Izay mino sy atao batisa no hovonjena;
fa izay tsy mety mino no hohelohina.
Mahay ny zavatra rehetra aho ao amin’Ilay mampahery ahy.
Ambony lavitra noho ny fanapahana rehetra
sy ny fahefana sy ny hery
sy ny fanjakana ary ny anarana rehetra izay tononina,
tsy amin'izao fiainana izao ihany,
dia nampanaiky ny zavatra rehetra
ho eo ambanin'ny tongony Izy
manapaka ny zavatra rehetra ho an'ny fiangonana.