Misaotra Anao, noho izao fotoana izao
Misaotra Anao, noho ny fanatrehanao
Tsy avy aminay na herinay, fa herin’ny fitiavanao anay
Fa sarobidy tsy voavidy, fa fahasoavanao tsotra izao, TSOTRA IZAO
Fanahy Masina ô, vangio ‘zahay !
Fanahy ô, tariho ny làlanay !
Fanahy Masina ô, fenoy ‘zahay !
Fanahy ô, tsaboy ny ratranay !
Fanahy Masina ô, tefeo ‘zahay !
Fanahy ô, toneo ny fonay !
Fanahy Masina ô, sasao ‘zahay !
Fanahy ô, vahao ny olanay !
Vangio, tariho, Fanahy Masina ô, miandrandra Anao !
Fenoy, tsaboy, Fanahy Masina ô, miandrandra Anao !
Tefeo, toneo, Fanahy Masina ô, miandrandra Anao !
Sasao, vahao, Fanahy Masina ô, miandrandra Anao !