Na tianao zaho na tsy tianao
Nefa izaho indraiky tsy hamono-tegna
Tian’olo antegna tsy ahody fahignana
Halan’olo antegna tsy hofaty amaraigny e
Izany ny ohabolan-drazagna
Aza atao saoma la gera , aza atao saoma la gera
Aza atao saoma la gera , aza atao saoma la gera
Aza atao saoma é! , aza atao saoma é!
Na ny olo marina na be fahotana
Tsimbola nisy velona mandrakizay
Nahoana mifamono na mamono-tegna
Fa ny fihainagna eto antany dia olo miara-dia
Mitady paradizy na ny ofobe
Izay hilainao dia hoazonao hiany
Mandeha mitady lavitra mazahoa anjara
Izay magniry mba teho-anagna mazahoa anjara
Kidikidiny sasany fampitifitra basy
Fa ny kilalao tiako dia mihira gasy
Ny hasan-hadraharam-panjakana sy ny mpanao zavan-kanto
Fikendry anankiray fa fanaovana samy hafa
Na mihodinkodina ny làlana na misampasampana
Tohina ny mandry fohaza ny matory ô !
Tànana havia manasa ny havanana
Tànana havanana manasa ny havia
Mba fanipy teny fampiresadresaka
Tsisy fanora-bato na poa-basy
Tsisy fanora-bato na poa-basy
Tonony sy feony : Fontaine Paul Marius (Fenoamby)