Mafy orina ny fototry ny trano
Tandremo rey olona tsy hidiran'angano
Amin'io vato io, io vato io
Mavesatra be tsy eran'ny aina
Mankarary tena tsy zaka bataina
Misy gabarý isan-karazany
Miova izy dia miova koa ny anarany
Misy moellon, misy gravillo,
(Rehefa madinika loatra izy fasika)
Belôty, ramy, dômy ihany koa
Mandehana arý fa soa dia voa
An' io vato io, io vato io
(mijery vato lelika lahy ty )
Iarahan-tsika rehetra manisa
Mpanao pôlitika mitady fika
Amin'io vato io, io vato io
Mitovy ve ny isa rehefa ao amin'ny cenit
Sa mody gisa hoe raha mahita
Tandremo ny ho miseho fetsifetsy
Amin'io vato io , io vato io
Hiverina indray an-dalam-be
Fitaovana iray hatao pavé
Aoreno tsara amin' ny alalan'ny vato ny tranobentsika
Fa aza miady, aza mifampitoraka sao vaky handrina
Tsy kilalao anie io ka aoka hitandrina
Hiverina indray eny an-dalam-be
Fitaovana iray hatao pavé
Io vato io, io vato ioooooo