Fanaoko rehefa indry no miantso ahy
Dia variana, tsy fanahy iniana
na hoe fidiana ilay tsiky
F'izany angamba no atao hoe tia
Na ho hiraiko mandrapikiakako faran'ny aiko
Hianarako miaina sy mitia
Tsy haiko aloha na haindry
Eto aho dia miodina, miodina, miodina
Eny miodina, miodina, miodina anilandry
Ny masondry manavatsava fanahy
Fa tsisy tahotra ny fitia
Nefa ny fondri toa mitempo ao an-tratrako
Mampatsiahy f'ety an-tany aho natao hankafy
Hianarako miaina sy mitia
Tsy haiko aloha na haindry
Eto aho dia miodina, miodina, miodina
Eny miodina, miodina, miodina anilandry
Tsy haiko aloha na haindry
Eto aho dia miodina, miodina, miodina
Eny miodina, miodina, miodina feno fitia