Ry sakaizako ô ,aiza ianao,Fa miantso anie ‘lay tompo izao
Miverena ka modia modia,Fa ampy ‘zay lay toetranao nania
Fa efa eo ambaravaranao,efa eo anie ‘lay famonjena
Aza dia sondrian-tory re, sao ho tavela ianao
Tapao ny hevitrao,faingana zao dieny zao
Ka safidio ‘zay ho lalanao
Tapao ny hevitrao,faingana zao dieny zao
Ka safidio ‘zay ho lalanao
Sao ianao toy ilay zanaka adala,Ninia nanota nefa nahalala
Nandeha niliba tamin’ny volan-drainy,Ny hiandry nefa tsy ho hainy
Fahakiviana sy fahaverezana ,(lay) nantenaina mba ho soasoa
Ny farany tsy maintsy hiverina ,Hifona amin’ny Rainy ‘zay nialany
‘ndao e,mitsangana e, fotoana izao faingana ianao
Efa ela anie no nandondona tao ambaravaranao ka mba vahao
Io tompontsika io anie zareo ,be fandeferana tsy mety leo
Tiany raha anie dieny anio,no hanapa-kevitra ny hanantona azy
Ny zanany aza moa nafoiny ,hisolo voina antsika tety an-tany
Ny famonjena efa vitany , anjarantsika sisa raha tsy handray
‘ndao e,mitsangana e, fotoana izao faingana ianao
Efa ela anie no nandondona tao ambaravaranao ka mba vahao