Tany lavitra andriana, lavi-panjakana
Ny lalana mankany, sarotra, malama
Any ambanivohitra any e, ambany ravin-kazo
Misy zanak'Andriamanitra any e
Mba miandrandra lanitra e.
Mahatsiaro anareo ry Zoky sy ry zandry
Miasa mafy any mitory an'i Jesoa
Ekena fa tsy mora ny asa fanompoana
Tany lavitra andriana, lavi-panjakana
Ny lalana mankany, sarotra, malama
Any ambanivohitra any e, ambany ravin-kazo
Misy zanak'Andriamanitra any e
Mba miandrandra lanitra e.
Misaotra anareo no sady mankahery
Ny herim-ponareo sarobidy ireny
Miharitra hafanana, dia an-tongotra mazàna
Tany lavitra andriana, lavi-panjakana
Ny lalana mankany, sarotra, malama
Any ambanivohitra any e, ambany ravin-kazo
Misy zanak'Andriamanitra any e
Mba miandrandra lanitra e.
Rehefa mody ny masoandro midify any ho any
Sasatra ianareo nofo ihany moa
Ny vavaka ampiakaro, hanaka-danitra any.
Hamakivaky haizina any e.
Tany lavitra andriana, lavi-panjakana
Ny lalana mankany, sarotra, malama
Any ambanivohitra any e, ambany ravin-kazo
Misy zanak'Andriamanitra any e
Mba miandrandra lanitra e.
Mba miandrandra lanitra e.
Mba miandrandra lanitra e.
Tonony sy feony: R.P Jaonah HERIMALALA SJ.