Alana aloha ny tsiny,fa sao dia mahavoa
Izany no fomban’ny ntaolo teo aloha,
Ny lalana voasoroka natao arabe
Ma tsy ho voan’ny tsilo ireo olona mandeha
Mba hiankina amin’ny vaventy
Fa raha misy zavatra kasaina
Misy tenin-drazana manao hoe:aza misy ny sampona
Misy resaka tiana hambara
Ianareo vahoaka mihainoa tsara
Raha lavitra ianao,manantona aty
Ampandrio ary ny sofina ankavia
Fa resaka hanitra kely ity
Marina tsy misy lainga izany teny izany rahavako
Ka tsy tonga izy mba hijery
Ny fotoam-bita hoy ny zoara tsy mahaleo ny sampona
Nankany amin’Ingahy mpimasy
Dia izao no teny mba nataony
Ny anton-diako aty ange r’ingahy mpimasy
Na ny vintana no tsy tsara
Fa in-dimy nanambady anie aho r’ingahy mpimasy
Marina tsy misy lainga izany teny izany rahavako
Dia nitsangana ingahy Randria
Tsy ny vintana no tsy tsara
fa inty misy kely mitangozana
Ianao tsy mihaino tenin-drafozana
Tetik’adinao fitonjato kilao
Ny hakamoanao misy taonina iray
Marina tsy misy lainga izany teny izany rahavako
Fa raha lava loatra mangidy fara
Ny tso-drano ataoko anareo
Na Alahady na Alatsinainy
Ho salama vatana anie ny aina
Tsy ho azon-tsampona sanatria
I losifera ho foana tsy hisy
Jesosy Tompo handrotsirotsy
Veloma masina,veloma indrindra
Fa amin’ny ho avy ’zareo manao misimisy
Tsy satrinay anie ny handao anareo
Fa ny andro ’zareo mandroso hariva
Veloma masina,veloma indrindra
Ny fahasalamana izay no irina
Veloma masina,veloma indrindra
Fa amin’ny ho avy ’zareo manao misimisy
Sampana HANITRA NENTIN-DRAZANA
FJKM ZOARA FANANTENANA AMBOHIPO